Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka sy manampahaizana eny amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, tamin’ny fanombohana ny velakevitra ho an’ny besinimaro teny amin’ny oniversite Ankatso, afakomaly, ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc.
Tokony ho sehatra malalaka ho an’ny firenena mpikambana ny fiombonam-paritra ka samy hijery ny soa fanararaotra ny tsirairay. Tanjona ny fiaraha-mandroson’ny mpikambana ho an’ny tombontsoan’ny mponina ao aminy.
Nisolo tena sady nitondra ny hafatry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Chaminah Loulla. Notsiahiviny ny lohahevitra izay miompana amin’ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa rezionaly hanafainganana ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena. Hafatry ny filoha ny amin’ny fiaraha-miasan’ny samy oniversite sy ny fikarohana siantifika ary ny fanabeazana no fototra mampahomby ny fanovana tian-katao. “Hery manosika amin’ny politika momba ny angovo ny vondrona ao anatin’ny fanohanana ny sehatry ny fambolena stratejika sy amin’ny fampiroboroboana fiaraha-miasa eo amin’ny samy fanjakana sy ny oniversite”, hoy kosa ny minisitra Chaminah Loulla.
Ilaina àry ny fanafainganana ny fifindrana angovo hiantohana ny angovo madio sy ahazoana mifaninana, ny fanentanana ho amin’ny fiovan’ny fambolenaa hiantohana ny fanjarian-tsakafo sy hamoronana asa maharitra, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tsiansa ho an’ny vahaolana vaovao mifanaraka amin’
ny zava-misy iainana.
R. Nd.




