Fihaonana an-tampon’ny SADC: Nandinika ny olana politika ny rafitra Troïka

Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, nifarana teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly, ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavi­tafika. Anisan’ny voadinika ta­min’izany ny fehinkevitry ny fi­vorian’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny ma-nampahaizana ny 4-6 aogositra. Teo ny amin’ny tetibolan’ny vondrona 2025 sy 2026. Teo koa ny amin’ireo firenena telo eo anivon’ny Sadc izay tsy na­haloa ny latsakemboka: i Kao­moro sy i Seychelles ary ny Re­poblika demokratikan’i Congo (RDC). Voaresaka ny olana politika miseholany amin’ireo firenena mpikambana sasany. Eo, ohatra, ny any RDC izay nitrangana fanongam-panjakana tamin’ny volana mey 2024. Eo koa ny olana any Rwanda, misy milisy M23. Ankoatra izany, tsy mankasitraka an’ireo firenena tsy manaja ny demokrasia ny vondrona. Toy izany koa ny ady an-trano, ny tsy fi­sian’ny fifidianana ara-dalàna…
Ny rafitry ny Troïkan’ny Sadc kosa no nivory omaly. Ao anatin’izany ny avy any Tanza­nie, Zimbabwe sy Zambie ary Malawi, miaraka amin’ny mpiasam-panjakana ambony. Na­na­trika ny fotoana ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, ary ny filohan’ny Troïkan’ny rafitry ny Sadc sady minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra ny fiaraha-miasa aty atsimon’i Afrika, i Mahmoud Thabit Kombo. Hanapaka ireo fehinkevitry ny filankevitry ny mi­nisitra ny fivorian’ny rafitra Troïkan’ny Sadc: ny tetibolan’ny vondrona, ireo laharam-pahamehana, ny olan’ny firenena mpikambana… Hatolotra hodinihin’ny fihaonana an-tampon’ny Troïkan’ny Sadc izay ta­paka amin’izany. Eo ny filohan’ ny Sadc teo aloha, i Angola, sy ny filoha amin’izao, i Zimbab­we, ary ny filoha vaovao hiditra, i Madagasikara, izay hivory anio mialoha ny tena fihaonana an-tampony faha-45 rahampi­tso.

R. Nd.

Partager sur: