Filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako : “Aoka hahay hizara am-pitiavana madiodio…”

Nampita hafatra mafonja ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao synaoda faha-20 tanterahin’ny fiangonana any Taolagnaro izao.

Nambarany fa ampy izay ilay tanana zatra mangorona ho an’ny tena. Entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky, ka na mba manome aza; mizara anaty filan-dera hitsinjovana sahady ny mety ho fifidianana, araka ny nambarany. Mizara ny fampibabena trosa ara-tsaina ireo notolorana. Avy eo itakiana tambiny indray andro any. Tanana tsy mahay manolotra fa mamihina tsy mety hahafoy ary na manome aza, manome tsy amim-pifaliana, araka ny nambarany hatrany. “Mba hiova ho tanana vaovao hahay hitsotra ka hizara amim-pitiavana madiodio. Tia ny hafa tahaka ny tena, tsy misy am­badika, tsy misy takalo, tsy mi­sy latsa”, hoy izy.

Mba hiova ho fahefana vaovao ho andrin’ny madinika sy ny mahantra, tsy mba mahitahita, tsy manan-kavana ambony, tsy manam-bola be ilay fahefana enti-manindry ny hafa, hanerena azy hanao zavatra mifanohitra amin’ny feon’ny fieritreretany. Hani­tsaki­tsahana am-paladia ny fahamarinana, ka hitadiavana fanapotehana ireo tsy mitovy loko amin’ny tena. Eo koa ireo tsy manaiky baikoina hanao ny tsy rariny miaraka amin’ireo mpanambola hanaovan’ny sa­sany kopaka hisasahana, ka tsy mampaninona na hivarotana tanindrazana aza.

Nanteriny fa ilaina ny fahefana miandany amin’ireo olo-marina vonon-kijoro, ireo mahantra tsy misy mpiaro, ireo manana ny rariny verezin-jo. “Tsy azo ekena ny firaisana tsikombakomba amin’ny maizina. Hanaovana fatidra amin’ny satana, noho ny fitiavam-pahefana sy vola ary voninahitra ka hanaovana sorona na ny sarobidy indrindra aza”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: