Efa an-dalana amin’ny firosoana ho fanatsarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny hampiasana ny lisi-pifidianana biometrika, hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Namita iraka any Bénin ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, sy ny ekipany naka traikefa amin’ ny fomba hanatanterahana izany amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Anton-dian’izy ireo any an-toerana ny fijerena ireo dingana sy pitsompitsony samihafa na ireo asa tokony hotanterahina ahatongavana amin’ny fampiasana izany lisi-pifidianana biometrika izany. Nambaran’ ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, fa tsy mifanalavitra amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy no tanterahina, mialoha ny hirosoana amin’ny fandrafetana ity rejisitra ho an’ny fifidianana ity. “Tsy maintsy ilana ny fanohanana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny famatsiam-bola ho amin’izany. Tanjona ny hahafahana misoroka ny olana niseho rehetra tany aloha mba hananantsika fifidianana azo antoka”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ireo firenena afrikanina efa lasa alavitra amin’ny fampiasana ny lisi-pifidianana biometrika ny any Bénin. Mikasa ny hampihatra izany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2028 ny eo anivon’ny Ceni.
Na izany aza, mbola mila fitaovana sahaza izany ny eny anivon’ny fokontany, ahafahana manatanteraka io tetikasa io. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nitaky ny hanatsarana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fampiasana ny biometrika ny ankamaroan’ireo antoko politika, nialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023.
Synèse R.




