Fitateram-bahoaka: Hiasa ny teleferika, 3 000 Ar ny saran-dalana

Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity.

Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voa­laza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny fomba fitaterana. Izay no antony nanatanterahana azy. Tombony ho an’ny mpianatra, mpiasa, sy ny mponin’Antananarivo amin’ny ankapobeny ny fahavitan’izao fotodrafitra izao, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Voalazan’ny mpandaha-teny, omaly, fa efa am-polo taona no tsy nisy ny fanavaozana ny fitaovam-pitaterana teto Antananarivo.
Miainga eo Anosy, toerana misy ny biraom-panjakana rehetra, ny teleferika. Toraka izany koa ireo olona ho any amin’ny hopitaly, hahazo tombony amin’izany. Hampihena ny vola mivoaka amin’ny saran-dalana ihany koa ny fisian’ny fotodrafitrasa vaovao. “Vinavinaina hihena hatrany amin’ny 1 200 isan’andro ny fampiasana fiara vokatry ny fandehanan’ity tekeferika ity”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.

Vahaolana
Manodidina ny 40 000 hatramin’ny 60 000 isan’andro ny olona hampiasa. Hihodina tanteraka amin’ny angovo azo havaozina azo amin’ny herin’ny masoandro ny fitaovana manomboka amin’ny taona 2026. Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka anio ny teleferika. Saran-dalana tokana 3 000 Ar no aloa. Misy fiantsonana fito ary cabines miisa 198, ahafahan’ny mponin’ Antananarivo mivezivezy.
Vahaolana goavana ho an’ny renivohitra ny teleferika kanefa mbola hiampy ny fiaran-dalamby an-tanànan-dehibe izany.
Naharitra 25 volana ny asa fametrahana ny teleferika. “Raha oharina amin’ny hadirin’ny asa natao dia haingana ihany ny fanatanterahana izany”, hoy ny tomban’ny teknisianina.

Tatiana A

Partager sur: