Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro fahefatra ho an’ny sokajy “B”, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Barea de Madagascar sy i Burkina Faso. Hanan-danja izany satria hamaritra ny hoavin’ny Barea. Tsy manana safidy intsony ny Malagasy fa mila mandresy an-dry zareo Burkinabe raha mbola te hanohy ny fifaninanana.
Raha tsiahivina, laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, ankehitriny, manana isa 4. Eo amin’ny toerana fahefatra kosa ny Burkina Faso, nahazo isa 3. Tsy manana herijika ny ho tafita intsony ry zareo Burkinabe na mahazo isa 3 aza. Raha mandresy azy ireo kosa ny Barea, manana isa 7 mitovy amin’i Mauritanie izay tsy manana fihaonana intsony. Raha izay tranga izay no miseho, tafita ny Barea, satria manatombo eo amin’ny “Goal average” na ny baolina maty sy tafiditra. Mihintsana kosa ny Barea de Madagascar, raha manao ady sahala.
Efa tafita amin’ity vondrona “B” ity i Tanzanie izay mbola hidona amin’i Centrafrique, ekipa tsy mbola nahazo fandresena ary efa mangoron-damba.
Vonona ny Malagasy mpilalao hiatrika ity lalao anio ity. Salama tsara avokoa ry zalahy ary ambony ny toe-tsaina hoenti-midona amin-dry zareo Burkinabe. Nifantoka tamin’ny famonoam-baolina ny 75 isan-jaton’ny fanazarantena, tao anatin’ny telo andro. Na izany aza, tsy manao ambanin-javatra ny fiarovanntena ihany koa. Efa ao anatin’ny fifantohana tanteraka ny mpilalao rehetra. Ilaina hatrany ny fitandremana satria hilalao tsy misy tsindry intsony i Burkina Faso.
Tompondaka




