Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao

Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, ary ny latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy, taranja volley-ball natao tany Toamasina, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny fahaiza-miaraka, ny fananana fotodrafitrasa sy ny fiofanana azon’ny mpanazatra ihany koa no antoky ny fahombiazana toy ireny. Misy ny sokajy rehetra ny GNVB, manomboka amin’ny U-14, U-16, U-18,U-20, U-23 lahy sy vavy, hatramin’ny Senior. Manodidina ny 300 ny isan’ny mpilalao ao aminy, saingy ny 200 no manana kara-pilalaovana. Manana «cursus» mihitsy ny mpilalao ao amin’ny GNVB, manomboka 8 taona hatrany amin’ny Asief.

Mi.Raz

Partager sur: