SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io.

Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy Vétérans lahy sy vavy, manomboka ny faran’ity herinandro ity. Omaly zoma 15 aogositra no nanatanterahana ny fivoriana ara-teknika, tany an-toerana.

Hotontosaina anio sabotsy 16 aogositra, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana Amboaran’Analamanga, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana karakarain’ny ligin’Anala­manga ny JJB hahitana ny sokajy Gi amin’ny sokajy rehetra sy ny No Gi “absolute”.

Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, sokajy Cadet, junior ary Senior. Ny eo amin’ny K1 rules, Low kick ary Kick Light no hifaninana mandritra ity fifaninanam-pirenena ity.

Partager sur: