Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry.
Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madagasikara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny fivoriana natao tany Zimbaboe, ny taona 2025, voatendry ho mpitantana ny vondrona Sadc ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry. Notontosaina omaly, araka izany, ny fifamindram-pitantanana eo aminy sy ny filohan’i Zimbaboe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa. Nandray avy hatrany ny andraikiny ny filoha Rajoelina Andry. Fanambiny ny hampandroso sy hampatanjaka ny lafiny ekonomika. Nohamafisiny ny hampiroboroboana ny firenena mpikambana, andaniny. Hitady ny tombontsoan’ ny mponina aty amin’ny firenena afrikanina tapany atsimo, ankilany.
Henin-kaja ny Malagasy
Tonga nanatrika ny fivoriambe teto Madagasikara ireo filoham-panjakana sy lehibena governemantan’ny firenena 16 mikambana eo anivon’ny Sadc. Niara-nikaondoha sy nikaro-bahaolana hampandrosoana ny faritra ny mpizaika. “Kihon-dalana lehibe hanatanterahana ny tanjona iombonana ity fihaonana eto Madagasikara ity”, hoy hatrany ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony ny hampivoarana ny fiaraha-miasa mba hitondrana fampandrosoana mirindra. Niompana tamin’ny lohahevitra “fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina” ny dinika niarahana, omaly. Marihina fa nahitana solontena avokoa ny firenena 16 mivondrona ao anatin’ny Sadc. Anisan’izany, ny filohan’ny Repoblikan’i Zimbaboe, Dr Emmerson Dambudzo Mnangagwa, izay filoha nitantana ity vondrona ity teo aloha. Tonga ihany koa ny filohan’ny Repoblikan’i Congo, Felix Antoine Tshisekedi Tshilombo. Torak’izany ny filoha Afrikanina tatsimo, Matamela Cyril Ramaphos sy ny maro hafa. Haharitra herintaona ny fitantanan’i Madagasikara ny Sadc.
Mino




