FANTINA sy FINTINA

Nodimandry tampoka, ny sabotsy maraina teo, ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondra­zaka Toky Niaina. Nambaran’ny vadiny fa salama tsara ity ben’ny Tanàna ity, nialoha izany. Mametraka ny ahi­ahiny amin’ny mety ho fisian’ny fanapoizinana ny fianakaviana, raha ny fanazavany hatrany ary hitady ny ma­rina momba izany.
Anisan’ireo tonga nidodododo teny amin’ny HJRA ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, amin’ny nahalasanan’ny ben’ny Tanàna, Tim Fi­raisankina, ao Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky Niaina. Nampahery ny vadiny sy ny fianakaviana. Tonga teny an-toerana koa ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Ravalomanana Richard.
Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoha Rajoelina Andry ny mpanohitra eo anivon’ny Fi­raisankina. Notakin’izy ireo ny fialantsiny ampahibemaso avy amin’ny fanjakana amin’ny mpampianatra. Ny hampiakarana ny tetibola ho 20% farafahakeliny avy hatrany ho an’ny fanabeazana. Hatao laharam-pahamehana koa ny fampiofanana mpampianatra…
Naneho hevitra ny mpahay lalàna sady mpikamban’ny birao politikan’ny MMM, Ramilison Toky. Nambarany ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika, indrindra amin’izao fihaonamben’ny Sadc izao. “Tsy maintsy ahazoana alalana ny fanehoan-kevitra ankalamanjana nefa tsy mahazo izany isika na hangataka aza”, hoy izy.

Partager sur: