Judo Club Esca, hita eny amin’ny Esca Antanimena. Miezaka mamolavola sy mampitombo ny traikefan’ny mpikatroka ao aminy. Politika vaovao hitan’ny mpitantana fa hahafahana mampiakatra ny lenta ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohany.
Klioba matanjaka sy lohalaharana eto Analamanga ny Judo Club Esca. Niforona ny taona 1960 izy ireo, izay misy sampana roa: ho an’ny mpianatra ao amin’ny Esca, amin’ny alalan’ny “activités parascolaires” ary ny Judo Club Esca, ho an’ny rehetra. Manodidina ny 100 eo, amin’izao fotoana izao, ny isan’ny mpikatroka ao aminy, manomboka amin’ny ankizy 3 taona no ho miakatra.
Mivelatra amin’ny iraisam-pirenena
Tao anatin’ny 10 taona, lohalaharana eo anivon’ny fifaninanana nasionaly sy rezionaly ny Judo Club Esca. Tsy mbola lefy laza hatreto fa miezaka hatrany mikarakara ireo taninketsa sy sokajy zandriny. Politika vaovao napetraky ny klioba, hatramin’ ny fahavitan’ny fifidianana, ny volana marsa teo, ho fampiakarana ny lentan’ny mpikatroka ao aminy, ny fampandraisana andraikitra azy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro, na dia mianto-tena aza matetika, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba, ny maître Ravelojaonaa Jean Yves. Anisan’izany, ohatra, ny nandefasana ireo atleta niatrika ny “Open de Pretoria” natao tany Afrika Atsimo, ny volana jona lasa teo, ka nahazoana vokatra tsara. Medaly volamena 1, volafotsy 2 ary alimo 3 no norombahin’ireo judokas avy amin’ny Judo Club Esca nandritra izany. Mbola nahazo vokatra tsara ihany koa ity klioba ity tamin’ny “Tournoi de l’île Maurice”, ny volana marsa teo, izay nandrombahan’ny Malagasy ny medaly volamena.
Toy izany koa ny tamin’ny CJSOI farany teo, izay natao tatsy Seychelles. Fifaninanana iraisam-pirenena maro no mbola kasain’ny klioba handefasana ny solontenan’izy ireo, anisan’izany ny amin’ ny volana oktobra, mandritra ny “Tournoi Hainaut”, ho an’ny sokajy zandriny, hatao any Belgique, sy ny “Open de Maurice”, ho an’ny sokajy zokiny.
Misongadina eto an-toerana
Klioba tsy manao ambanin-javatra ny fifaninanana eto an-toerana ihany koa ny Judo Club Esca. Mandray anjara izy ireo amin’ireo fifaninanana rehetra misy, manomboka amin’ny “tournoi” madinika hatramin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, amin’ny sokajy rehetra. Tsy mandray anjara fotsiny fa tena mandraoka medaly mihitsy ka tsy maintsy miakatra “podium” hatrany. Ny “Tournoi du Capricorne” hatao any Toliara, ny faran’ny herinandro izao, indray no fandaharam-potoana manaraka ho an’ny Judo Club Esca ary efa anaty fanomanana mafy ireo mpikatroka avy aminy, amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hatao eto Antananarivo, ny volana desambra izao, ho famaranana ny taom-pikatrohana 2025.
Nanatontosa: Miarintsoa.Raz

“Open de Prétoria”
-Volamena: Randrianaivo Hajaina, cadet, – 50 kg
-Volafotsy: Ralalaharisoa Malalatiana, senior, – 63 kg; Razafindratsimba Alinia, junior, -52 kg
-Alimo: Ranaivoarisoa Fetra, senior, – 81 kg; Ravelojaona Yves Rayan, senior, – 73kg; Benandro Roumaica , senior, junior – 57 kg ”
Tournoi de l’île Maurice”
-Volamena: Minoharintsoa Brayan, cadet, -81 kg; Ravelojaona Yves Yohana, cadet, – 66 kg . “CJSOI”
-Volamena: Rakotomalala Sandaniaina, – 66kg
– Volafotsy: Andriamandanonarivo Tsiaro,- 60 kg
-Alimo: Rakotondrainibe Malalasoa Fanomezantsoa.




