“Afrobasket 2025” : Tapitra hatreto ny lalan’ ny Ankoay

Tapitra omaly, taorian’ny faharesena nanoloana ny ekipan’ny Tonizia, ny lalan’ny Ankoay, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, “Afrobasket”, sokajy lehilahy, tanterahina any Angola. Isa 81 no ho 60 no nandavoan’i Tonizia azy ireo ka nampijanona hatreo ny nofinofy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy. Mbola nifandanja ary tao anaty herijika tanteraka anefa ny ekipa malagasy nandritra ny ampaham-potoana roa voalohany Nitarika 32 no ho 31 izy ireo teo am-pialantsasatra. Toy ny ta­min’ny lalao voalohany anefa, nanao tandrevaka indray ny Malagasy nandritra ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra ka niloloha faharesena fanintelony. Tsiahivina, intelo resy ny Ankoay tamin’ity fifanintsanana isam-bondrona amin’ny “Afro­basket 2025” ity. Ny Andro voalohany, niondrika tamin’ny isa 77 no ho 59, nanoloana an’i Nizeria i Madagasikara. Tamin’ny andro faharoa, resin’i Cameroun, tamin’ny isa 80 no ho 77, izy ireo ary izao resy fanintelony nanoloana an’i Tonizia izao indray. Teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona izany aloha no nifarana ny lalan’ny Ankoay, sokajy lehilahy, tao anatin’ity “Afrobasket 2025”, natao tany Angola, ity.

Mi.Raz

Partager sur: