Minisitry ny Raharaham-bahiny – sadc : “Goavana eo amin’ny diplaomasia ny fitantanana”

“Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filoha mitantana ny vondrona Sadc. Tena goavana izany eo amin’ny lafiny diplaomasia. Midika izany fa rehefa mivoaka manatanteraka iraka any ivelany ny filoha, manao izany amin’ny anaran’ny firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc”. Io ny fanazavan’ny mi­nisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, Rasata Rafarava­vitafika, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CCI, Iva­to, afakomaly, taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoelina Andry, ny fitantana ity vondrona ity. Haha­zoana mampandroso sy miaro ny tombontsoan’i Madagasi­ka­ra sy ny tombontsoan’ny von­drona iray manontolo izany.
Manaraka, mitombo hatrany ny mampisongadina ny diplaomasia malagasy: ny fananana ny filohan’ny Re­poblika mitondra ny tenin’ny Sadc iray manontolo. Ao anatin’izany ny fahazoana mifampiraharaha amin’ny firenen-kafa goavana maneran-tany amin’ny anaran’ny vondrona tantaniny. Ilaina izay firaisankina izay, fa miovaova izao jeo-politika iraisam-pirenena izao. Ahazoana manamafy ny adisisika mandresy amin’izany fifampiraharahana rehetra izany ny fitantanan’ny filoha ny vondrona Sadc izao.
Eo amin’ny firotsahan-kofidin’i Madagasikara amin’ny vondrona iraisam-pirenena samihafa. Manana kandidà na toerana tiana hositrahana i Madagasikara eo anivon’ny vondrona iraisam-pirenena amin’izao. Ny fahamarinan-toeran’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc dia ahazoana mampivondrona ireo firenena rehetra mpikambana hanohana ireo kandidà amin’izany. I Afrika Atsimo no hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-46 amin’ny 2026.

R. Nd.

Partager sur: