Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana.
Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Mahajanga. Anisan’ny handray anjara
amin’izany ireo eo anivon’ny birao sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ceni foibe miaraka amin’ireo solontenan’ny rantsamangaika rehetra eny anivon’ny disitrika sy ny faritra ary ny faritany. “Sambany no hisy atrikasa tahaka izao eo amin’ ny tantaran’ny Ceni”, hoy izy.
Tsiahivina fa vao avy namita iraka tany Bénin, nifampizara traikefa momba ny rejisi-pifidianana biometrika, anisan’ny efa irosoan’ny any amin’ ity firenena afrikanina ity, ny mpikamban’ny Ceni..
Hampiasa Biometrika amin’ny fifidianana
Mbola hitondra ny antsipiriany sy ny fanazavana ny filohan’ny Ceni. Mikendry ny hampiasa izany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2028 ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.
Etsy andaniny, mbola handrafitra anaty tahirin-kevitra ireo tolo-kevitra rehetra avy amin’ny mpiantsehatra amin’ ny fifidianana ho fanatsarana ny zotram-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Maherin’ny 300 ireo antoko politika sy fikambanana ary fiarahamonina sivily nandefa izany teny Alarobia, nialoha ny 25 jolay teo. Handravona ireo tolo-kevitra rehetra voaray ny Ceni manomboka izao ary hoentina eo amin’ireo mpiantsehatra izany, any amin’ny fiandohan’ny taona any, hanaovana fihaonambem-pirenena.
Synèse R.




