Taorian’ny fiadiana ny amboaran’Analamanga, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny “Kids JBB Games” indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana.
Fifaninanana karakarain’ny Brezilian Jiu-jitsu Esca (BJJ Esca), ny 24 aogositra izao, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena io hetsika io. Fotoana hifanomezana, hanasana ireo katitakely hampiseho ny talentany. Hanasana ihany koa ireo ray aman-dreny hanotrona sy hiaina fotoana mampihetsi-po miaraka amin’ny zanany. Tsiahivina, nanomboka ny taona 2024 no nisy ny fifaninanana “Kids JJB Games”. Nahazo ny laharana voalohany, nandritra io andiany voalohany io, ny klioban’ny Checkmat. Ny BJJ Esca no faharoa ary ny Guerreros no fahatelo, tamin’izany. Raha hiverenana kosa ny “Amboaran’Analamanga”, natao teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, nifampizaran’ny Attila sy ny Guerreros ny medaly volamena. Nanaraka azy tao kosa ny klioban’ny One Tribe. Mbola vao andiany voalohany ity fifaninanana ity ka maniry ny hitohizan’izany ny mpikarakara, ny ligin’Analamangan’ny Jiu-jitsu Breziliana. Maniry ny fiaraha-miasa amin’ny klioba rehetra eto Analamanga sy ny avy any amin’ny faritra, ary indrindra ireo ligy rehetra mandrafitra ny Federasionina malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana ny ligin’Analamanga.
Mi.Raz
Vokatra tamin’ny “Amboaran’Analamanga”
-57,5 kg: 1-Feno, One Tribe 2- Nantenaina, Guerreros 3-Sarobidy, Club 101
-64 kg: 1- Michael, Attila 2- Kim, Attila 3- Manda, Club 101
-70 kg : 1-Voady, Guerreros 2- Tanjona, Club 101 3- Mamy, Club 101
-70 kg: 1- Fifaliana, One Tribe 2- Tafita, Guerreros 3- Mathieu, BJJ Esca
-76 kg :1- Hery, Attila 2- Mikaia, Southside 3- Frédéric, Guerreros
-85 kg: 1- François, BJJ Esca 2- Gyanot, Attila 3- Loïc, Guerreros
-Vehivavy: 1-Mimi, Guerreros 2- Sarah, Attila 3- Sitrakiniaiana, Guerreros
-Master 2: 1- Hery, Attila 2- Lalaina, Guerreros 3-Frédéric, Guerreros
-Avancé, 64 kg: 1- Diary, Southside 2- Ar’Aina, Attila Absolute 1- Tafita, Guerreros 2, Yusha, Attila 3- Hery, Attila 2- Tanjona, Club 101




