Tenisy – “Mada 2025” : Tompondaka i Valentin sy i Tsantaniony

Nanakatonana ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy ny lalao ho an’ny sokajy rehetra. Fihaonana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMT) ary nofaranana teny amin’ny Kianja Asut Ambohitsaina, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny 1ère série, vehivavy, i Tsantaniony Iariniaina, rehefa nandresy an-dRazafinarivo Mirindra, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2; 7/5). Noporofoin’i Tsantaniony ny traikefa ananany sy ny fahazarany lalao goavana ka nibatany ny fandresena. Ho an’ny lehilahy indray, lasan-dRakotondrasoa Valentin ny anaram-boninahitra rehefa nandresy an-dRaharivony Nicolas, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/1; 7/5).
Tsiahivina fa lasan’Analamanga avokoa ny ankamaroan’ny amboara tamin’ity. Anisan’izany, ny teo amin’ny “2ème série”, vehivavy, norombahin-dRazafimahatratra Steffy, raha nandavo an-dRakotomalala Fikasana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2; 6/4). Nandray anjara tamin’ity avokoa ireo ligim-paritra mandrafitra ny federasionina malagasy, taranja tenisy.

Tompondaka

Partager sur: