SOMBIM-BAOVAO

Niala, omaly, tao Tanzanie ny Barean’i Mada­gasikara ary nihazo an’i Kenya, toerana hanatontosana ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny mpilalao tsy matihanina taranja baolina kitra (Chan 2025). Tsiahivina fa hidona amin’i Kenya izy ireo, ny zoma ho avy izao, eo amin’izany dingana izany.

Norombahin’ny ekipazy TMF/Asacm, nisy an’i Faniry sy i Mahents, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16 ny « Rallye de Boeny ». Fihaonana notanterahina tany Boeny, ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo, nokarakarain’ny klioba Gojang. 1 ora 23 mn 26 s 9% ny fe-potoana nahavitan’izy ireo ny hazakazaka.

Nanao pao-droa ny klioban’ny St Joseph Mahamasina nandritra ny fifaninanana “open MB2 All”, taranja badminton. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny 15 sy 16 aogositra lasa teo. Norombahin’izy ireo tamin’izany ny anaram-boninahitra roa tamin’ireo telo niadiana. Anisan’izany, ny teo amin’ny U15, zazavavy, sy ny teo amin’ny lehilahy, sokajy “B”.

Partager sur: