Vita izay ny fombafomba sy ny lanonana nametrahana ny filohan’ny Sadc. Ampy kosa angamba ny kifetifety fa andao hiasa amin’izay. Iza no tsy miandrandra zavatra tsara maro amin’izao maha lohan’ny vondron’ny firenena aty atsimon’i Afrika an’i Madagasikara izao? Iaraha-mahalala fa tombony goavana maro no ao ambadiky ny fametrahana an’i Madagasikara ho mpitarika izany.
Raha ny resadresaka mandeha eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny dia tsy hoe misy ny fahagagana. Zava-dehibe amin’ny vahoaka malagasy kosa ny ho fikirizana sy fahaizana mitrandraka ny herijika avy amin’ny mpitondra eto an-tanàna. Varavarana goavana ho an’ny fampandrosoana io. Tsy ny hanateran-kira indray no tsy hahay mandihy.
Tsy tokony hipetrapetraka fa tsy maintsy mitady ny hirika hampodiana ny tombom-barotra sy ny tombontsoa ho an’i Madagasikara ny filoha Rajoelina Andry. Fanamby goavana ho azy ny fametrahana izany vondrom-paritra mahakasika ny tapany atsimon’i Afrika izany. Adidy lehibe ho azy koa anefa ny mitady ny fomba hisitrahan’ny Malagasy izay tokony ho anjarany.
Tsy fanamby manokana fa tsy maintsy hanandratra ny anaram-boninahitr’i Madagasikara ny tena tanjona. Raha ny ezaka natao tao anatin’ny fanomanana dia efa nahitana taratra sy nahenoana fofompofon’ny fandrosoana ihany. Zava-dehibe ny fiovan’endriky ny tanàna satria ireny ihany koa no manova toe-tsaina.
Tsy tokony ho adino fa efa mpiantsehatra fototra izany isika Malagasy anatin’io manontolo iray io. Rariny sy hitsiny raha mba higoaka ny soa azo sintonina avy ao. Tsy ho mpiasabe vonton’anatra fotsiny na hiasa jamba rafozana fa hitrandraka izay azo trandrahina ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Aiza koa no hahita lalana mibanaka tahaka izao mba hisandratana.
r.r




