Tokely Justin : “Havadika ho rezionaly ny parlemanteran’ny Sadc”

“Havadika ho parlemanta rezionaly ny fihaonamben’ny parlemantan’ny Sadc. Tena hanana anjara toerana goavana eo amin’ny firenena mpikambana izy ireo rehefa lasa rezionaly”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsim­bazaza, omaly. Misy ny fihaonamben’ny parlemantan’ny Sadc, anisan’ny rafitra goavana eo anivon’ny vondrona. Amin’izany no handinihina ny fanatsarana ny lalàna hisian’ny tombontsoa iombonan’ny firenena mpikambana. Hana­na feo bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny lalàna ao anatin’ny vondrona ny parlemanta rezionaly. Tsy mitovy amin’ny fihaonamben’ny parlemanta izany, fa miakatra lenta avoavo kokoa.
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny vondrona ny fahaleovantena amin’ny sakafo, raha ny nambarany momba ny fampandrosoana. Mana­raka izany ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina izay ilana fanafoanana ny delestazy lavareny. Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny firenena hafa ny nahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc teto Madagasikara. Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fanovana amin’ny fambolena izy ireo. Mba hisian’ny fahavitan-tena amin’ny sakafo eto Mada­gasikara sy eo anivon’ny Sadc. Ahitana mpiara-miombon’antoka koa amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Tena goavana ny fitarihana ny Sadc, fa hanampy an’i Madagasikara izany, na eo amin’ny lafiny sosialy na ny toekarena.

R. Nd.

Partager sur: