FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny tsy hipetra-potsiny ny fianakavian’ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry. Miahiahy ny tena antony nahafaty an’ity olom-boafidy Tim ity izy ireo. Efa tamin’ny propagandy no nenjehina izy. “Teo koa ny vavabe fa tsy haharitra enim-bolana ny fitantanany ny tanàna sy ny fandrahonana ho faty ka hametraka fitoriana izahay”, hoy izy ireo.
Maherin’ny 10 ireo voasaringotra amin’ny “Raharaha Boeing 777”, izay miisa 5 nahazo laharam-pamantarana avy aty amintsika, tonga any Iran. Nambaran’ny loharanom-baovao fa tazonina anaty toby miaramila izy ireo, ahitana mpiasam-panjakana. Tsy mbola misy tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana kosa anefa hatreto ny fanadihadian’ny FBI.
Namaly ny mpanao gazety TV5 Monde, Gaëlle Borgia, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nambaran’izy ireo fa tsy mpiasan’ny minisitera Rajaonarivelo Philippe, nandrahona ho faty ity mpanao gazety vahiny ity. “Tsy tompon’andraikitra amin’ny teny na fihetsika avoakany ny minisitera”, hoy ny fanambarana.
Mitohy hatrany ny asa sosialin’ny vehivavy MMM. Izany no atao dia ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Anjaran’ny eny Mahitsy indray no ivarotan’izy ireo kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary, ny 21 aogositra izao. Mitohy eny Ankadinandriana izany, ny ampitson’io, ary eny Sabotsy Namehana, ny 23 aogositra.

Partager sur: