“CHAN 2025” – Prize money : “Hatolotra ny ekipa ny 60 % ny vola azo”, hoy i Tôta

Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalana hikatrohan’ny Barea sy i Kenya, eo amin’ny fiadiana ny «Chan 2025», taranja baolina kitra, ny rehetra ankehitriny. Mandra-piandry izany, efa manana 450 000 dôlara ny Barea amin’ny “prize money”. “Hatolotra ny mpilalao sy ny ekipa teknika ny 60 % ny vola azo rehetra”, hoy i Tôta filohan’ny CFEM.

Nialoha ny hiaingana hamonjy an’i Kenya, hanatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny «Chan 2025», taranja baolina kitra, hikatrohan’ny Barea sy i Kenya, ny zoma ho avy izao, nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny Andoha­ranofotsy, omaly, Rakotoa­rima­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM). Tamin’izany no nanambarany fa efa nifanarahana tamin’ny Federasionina ny hanolorana ny mpilalaon’ny Barea sy ny ekipa teknika rehetra ny 60 % ny vola azo amin’ity Chan 2025 ity ary ho an’ny federasionina kosa ny 40%. Anjaran’ity rafitra miahy ny baolina kitra ity indray avy eo ny mijery izay azony atao ho an’ny Barea. Ankoatra izay, nitondra fisaorana ho an’ireo filohan’ny klioba ao anatin’ny “Pureplay football League” (PFL) ny tenany satria ny vokatra azon’ny Barea dia avy amin’ireo mpilalao miatrika izany. “Tsy very maina ny ezaka natao na tsy misy tombony miverina ho an’ny klioba aza”, hoy izy. Nanaovany tatitra ihany koa ny zava-misy any Tanzanie. Nilazany fa tsara ny fikarakarana ary milamina ny delegasionina malagasy, na any amin’ny hotely hipetrahana io na ny sakafo. Notsindriny kosa nefa fa olana ho an’ireo mpilalao ny kianja izay goavana sady bozaka natoraly no hilalaovana. Anto­ny nampananosarotra ny mpilalao sasany, saingy vetivety dia zatra izany ry zalahy. Nomarihiny fa mety tsara ho an’ny Barea ny filalaovana any Kenya satria mitovy amin’ny kianja any Tanzanie. Mana­tombo ny mpampiantrano noho ny mpijery hameno ny kianja izay mahazaka 45 000. “Tombony ho an’ny Barea ny firaisan-tsaina sy ny fikirizana satria vonona hanoratra tantara vaovao indray ireo mpilalao”, hoy hatrany i Tôta. Farany, nanome hafatra ho an’ireo mpanakiana ny tenany fa arakaraka ny hisian’ny tsikeran’izy ireo no vao mainka hahazoana fandresena.

Tompondaka

Partager sur: