«Raharaha Boeing 777»: Am-polony no voasaringotra, mitohy ny famotoran’ny FBI

Efa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ireo avy amin’ny FBI amerikanina, araka ny fangatahan’ny fitondram-panjakana manoloana ny “Raharaha Boeing 777”, miisa 5 nahazo ny mari-pa­mantarana avy eto Madaga­sikara, tonga any Iran. Miisa telo mianadahy izy ireo ka ahitana vehivavy miisa roa sy lehilahy iray. Efa anatin’ny fanadihadiana rehetra, mom­ba ity raharaha ity, izy ireo amin’izao fotoana izao. Nam­baran’ny loharanom-baovao fa am-polony ireo voasaringotra amin’io resaka “Boeing 777” io ka tazonina eny amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana eny Ivato. Anisan’izany ilay ahina ho nanome ny antsoina hoe « Code transpondeur ». Eo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny ACM saingy tazonina amin’ny toeran-kafa, tsy miaraka amin’ireo mpiasa hafa, nanomboka ny alatsinainy teo. Manampy izany ny ins­pek­tera iray hafa, nijery ifotony ilay fiaramanidina tany Sina sy ny inspektera mpiofana iray “Stagiaire” saingy efa navotsotra. Efa natao fanadihadiana ihany koa ny tale jeneralin’ny ACM ary nalefa nody.
Anisan’ny mbola voatana eny amin’ny mpitandro filaminana koa ilay Karana sy teratany malagasy iray, tompon’ny Orinasa Udaan.
Tsiahivina fa manana mpandika teny malagasy ireto FBI manao fanadihadiana ireto.

Synèse R.

Partager sur: