“Fête du Basket NBA” : Efa tonga eto i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles

Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ireo kalaza NBA tonga hizara traikefa eto Madagasikara, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles, niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina.

Nandritra izany no na­nambarana ny anton-dia sy fandaharam-potoan’izy ireo eto Madaga­sikara, mandritra ny fandalovany. Araka izany, hatao ny sabotsy 23 aogositra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany. Nambaran’i Sylvia Fowles fa faly izy ireo hijery ny talentan’ ny Malagasy mpanao basikety ary vonona hifampizara traikefa. Nanamafy kosa ny minisitra Moustapha Marson Abdulah fa fampitomboana ny diplaomasia ara-panatanjahantena izao fahatongavan’ny kalaza NBA eto Madagasikara izao. Hampirisihina ny tanora hilofo amin’ny taranja iray izay ataony ihany koa. Tsy ny fanatanjahantena ihany no anton-dian’ ireto kalaza ireto eto fa eo ihany koa ny lafiny sosialy. Hana­­tan­teraka asa soa izy ireo ka hisitraka izany ireo vahoaka sahirana. Hisy ihany koa ny fitsidihana faritra 2 eto amin’ny firenena, ahitana an’Antanana­rivo sy Maha­janga, izay ha­nao­vana hetsika ara-panatanjahantena sy “Master Class”. Tsiahivina, efa indroa tompondaka ny “Women’s National Basketball Association ” (WNBA), ny taona 2015 sy 2017, tao amin’ny klioba Lynx du Min­nesota, ary voafidy ho mpilalao mendrika tamin’ny famaranana ny “WNBA”, i Sylvia Sha­queria Fowles. I Anthony Tolliver kosa izay efa nandray anjara tamin’ny “NBA D-League All-Star” (2010) sy ny F”irst-team All-MVC” (2007) ary ny “All-MVC Scholar-Athlete First Team” (2007).

Mi.Raz

Partager sur: