Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika “Festival de la RN 7”. Nambaran’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao, fa azo trandrahina tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ny lalam-pirenena faha-7.
Nanteriny fa ahitana ny tolotra rehetra ilaina amin’izany sehatry ny fizahantany izany ireo tanàna manamorona iny lalam-pirenena iny. “Anisan’izany ny tontolon’ny sakafo sy ny sehatry ny asatanana. Eo koa ireo trano fandraisam-bahiny ary ireo toerana samihafa natao hotsidihina”, hoy izy tamin’ny lahateniny. Notsiahiviny fa mampiavaka iny faritra iny, ohatra, ny ao Tritriva sy ny eny Andraikiba ary koa ny any Manandona sy ireo toerana maro hafa. Tena azo trandrahina tsara izany ary tafiditra amin’ny famelomana izany indrindra ny nikarakaran’ny Ofisim-paritra sy ny fitaleavam-paritry ny fizahantany ny hetsika “Festival de la RN7”. Niaraka tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny ONG Tolo-tanana, anisan’ny nanohana sy nanampy amin’izao andiany voalohany izao. Nambaran’izy ireo fa fahombiazana tanteraka izany. “Feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao Antsirabe nandritra ny roa andro nanatanterahana ny hetsika, ny 15 sy ny 16 aogositra teo”, hoy izy ireo.
Anisan’ny manana harena amin’ny sehatra samihafa ny ao Vakinakaratra ka fotoana io nahafahan’ireo tantsaha sy ny mpanao asa tanana naneho izany ary nandraisan’ny distrika rehetra anjara. Nisongadina manokana ny distrikan’ Antanifotsy, nahatonga vokatra be indrindra. Eo koa ny fivoaran’ny asa tanana ao Ambatolampy, naneho ny fitaovana ho an’ny fanatanjahantena novokarin’izy ireo. Ny orinasa fanamboarana maoteran’ny fiara ao Ambatolampy, iarahana amin’ny orinasa vahiny. Manampy izany ny kolontsaina toy ny “Cabaret” sy ny “Yoga”. Ny namelomana indray ny hazakazan-tsoavaly ka anaovana izany ao amin’ny Parc de l’Est.
Synèse R.




