Hetsika tao Ambositra : Notsiahivina ny kolontsaina « Volambetohaka »

Tontosa ny 14 ka hatramin’ ny 17 aogositra lasa teo ny fan­kalazana ny « Volambetohaka 2025 ». Notsiahivina tao ana­tin’ny telo andro tamin’izany io kolontsainan’ny Betsileo avaratra ao anatin’ny faritr’Amo­ron’i Mania io. Anisan’ny nandray anjara ireo distrika miisa efatra, ahitana an’Ambositra, Fandriana, Ambatofinandra­hana ary Manandriana. Na­nampy izany ny avy any Imady Ala.
Maherin’ny 1 600 ireo mpizaika nankalaza ity « Volam­be­tohaka 2025 » ity. Anisan’ny natao tamin’izany ny Tsiman­drimandry, diabe, dihy, fampisehoana taozavatra, velatsihy, zarahena, tsidika ny rovan’ Am­bositra. Manampy izany ny dinidinika ho amin’ny fampandrosoana. Miisa valo ireo omby novonoina avy amin’ny ankolafy maro ka niarahan’ny mpizaika nihinana nandritra ny fotoana. “Tratra ny tanjona dia ny hampahalalana ny ko­lontsain’ny ao amin’ny faritr’ Amoron’i Mania”, hoy ireo nan­daha-teny. Fanamby lehibe ta­fita ho an’ny governora, Ra­ko­tomandimby Désiré, sy ny pré­fet ao Ambositra, Raza­zaroa­nabavy Felanirina, anisan’ny kaomity mpanomana, izany.
Nodinihina ny hampiva­diana ny kolontsaina sy ny asa tanana hizorana any amin’ny fandrosoan’Amoron’i Mania. Hikatroka hamoaka drafitra fampandrosoana ny fizahan­tany sy ny asa tanana izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: