Fonjamby-Tompondakan’i Afrika: Nandrombaka medaly 17 ny Malagasy

Fahombiazana indray ny an’ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 no azon’i Madagasikara.

Taranja mampamiratra ny Malagasy hatramin’izay ny fibatana fonjamby. Mbola noporofoin’ny Mala­gasy atltela izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 be izao no noraofin’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity. Na­hitana medaly volamena 6, volafotsy 9 ary alimo 2. Ani­san’ny nisongadina Rakoto­noely Tendry Mahay, izay na­hazo medaly 6 ka volamena ny 1 ary volafotsy ny 5. Teo ihany koa Andriamitantsoa Tiavina Fabia sy Onjatiana Herman, izay samy nahazo medaly volamena 2 sy volafotsy 1 avy. Mbola namiratra ihany koa Randriamparany Chai­nah, izay nahazo medaly volamena 1 sy volafotsy 2. Randri­amifidisoa Miranto, nahazo medaly alimo 2. Tsiahivina fa atleta vao misondrotra avokoa ireto nisolotena an’i Mada­gasikara tany Ghana ireto. Efa hita taratra sahady fa manana hoavy mamiratra izy ireo.

Nankasitrahin’ny WFA ny filoha Randriamanarivo Harinelina

Ankoatra ny vokatra tsara azon’ny Malagasy atleta, na­hazo fankasitrahana avy amin’ ny WFA na ny Kaonfederasio­nina afrikanin’ny taranja fibatana fonjamby ihany koa ny filohan’ny federasionina mala­gasy, Randriamanarivo Hari­nelina Jean Alex. Notolorana “Honorariat” izy ny 17 aogositra lasa teo ho fankasitrahana ny zava-bitany amin’ny fampiroboroboana sy fampivoarana ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: