Tsipy kanetibe – “Mondial 2025” : Hanoman-tena any Frantsa ny vehivavy

Tsy manao ambanin-javatra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy, ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Mialoha izany fihaonana an-tampony izany, izay hatao ao Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, andeha hanoman-tena mialoha any an-toerana ny ekipa malagasy. Nanainga ny talata lasa teo ny delegasionina malagasy ary hiatrika “tournée estivale” any an-toerana, manomboka ny alahady ho avy izao. Raha tsiahivina, efatra mirahavavy izy ireo no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny “Mondial”, taorian’ny fifantenana natao tany Antsirabe. I Malalaha­ri­son Hasina Miary (CLB SBA), i Lalatiana Saholy Nirinaniaina (C2BA), Ravomanana Fanan­tenana Nomenjanahary (CPA) sy Ranaivoson Marinah (UBM) no voafidy ho solontena. Ha­nazatra azy ireo, mandritra ny “tournée estivale” sy ny “Mon­dial”, kosa Randriambahiny Francine (Cicine).

Mandra-piandry izany, hi­ditra amin’ny dingana faha­dimy ny “Masters 2025”, hatrehin’ny ekipam-pirenena mala­gasy, lehilahy. Hampiantrano izany, amin’ity alakamisy ity, ny tanànan’i Nevers. Raha tsy misy ny fiovana, i Zigle sy i Tianakely ary i Balôty no ho solontena amin’ity. Hijanona indray aloha izany i Yves. Tsiahivina fa laharana faha­telo ny Malagasy, manana isa 20.

Tompondaka

Partager sur: