Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, teo am-panombohana ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana.
«Miasa mafy hatrany isika hanamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hanatsarana ny fari-piainany», hoy izy. Notsiahiviny fa mpitarika tsy mihemotra ny tenany amin’ny mety hahasoa ny firenena. Notanisainy tamin’izany ny fanarenana ny Rova, ny fitaterana teleferika, ny lalambe migodana. Marobe ny teny maharary sy mandratra ary ny fanakianana, araka ny nambarany. « Tsy nihemotra na niverin-dalana isika satria mahasoa an’i Madagasikara izany ary nitondra vokatra lehibe ny ezaka ataontsika», hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nisaoran’ny filoham-pirenena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta noho ny fahombiazan’ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, natao teto amintsika. Notsindriany fa anisan’ny tsara fanomanana indrindra tamin’ireo fivoriana lehibe taty Afrika iny noraisin’i Madagasikara iny. Tsy nitsanga-menatra isika, araka ny nambarany hatrany. « Porofon’ny fipetrahan’ny fitokisan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Sadc ireny na sambany aza ny nandraisantsika izany tao anatin’ny 20 taona naha mpikambana antsika tao amin’io vondrom-paritra ara-toekarena io », hoy izy.
Fakan-tahaka sy filamatra i Madagasikara
Notsiahiviny ny nambaran’ny filoha Afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa, fa filamatra ary fakan-tahaka ho an’ny firenena hafa i Madagasikara. Nahay nampivondrona sy nitondra fiaraha-mientana ho an’ny firaisankina teo amin’ ireo firenena eo anivon’ny Sadc tamin’ny hevitra samihafa tamin’ireo fivoriana sy dinika rehetra natrehina.
Tsiahivina fa nisolo tena ny praiminisitra Ntsay Christian ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany fa nisongadina ny fahaizan’ny filoham-pirenena ny haitarika. Nankahereziny koa ny filoha amin’ny andraikitra lehibe sahaniny amin’ny fitarihana ny Sadc.
Ankoatra izay, nambaran’ny minisitra fa reharehan’i Madagasikara ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa goavana. Eo ny ampahany amin’ny lalambe migodana sy ny teleferika…
Synèse R.




