Namoaka hafatra ny synaoda lehibe eo anivon’ny FJKM, natao tany Taolagnaro. Nisy antso avo nataon’izy ireo, ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy.
« Miantso anao ny fiangonana ho amin’ny fahamarinana, ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny fiombonana eo amin’ny sehatra rehetra iantsoan’ny Tompo anao », hoy ny hafatra. Anisan’izany ny asa fanompoana, andraikitra samihafa, asa aman-draharaha ka hahefa be mandrakariva, araka ny hafatra hatrany.
Etsy andaniny, nasiam-panavaozana ny foto-dalàna sy ny fitsipika sasany eo anivon’ny FJKM. Anisan’izany ny fametrahana ny fanabeazana marolafy ho an’ny sekoly FJKM. Ezahina hohatsaraina koa ny fitantanana ny mpiasan’ny fiangonana sy ny mpiasam-piangonana. Tsy mijanona eo izany fa anisan’ny nasongadin’ny hafatra ny famokarana sy ny fampandrosoana, indrindra ny kalitaon’ny fandraharahana mba ho loharanom-bola maharitra izany.
Nohitsin’ny hafatry ny synaoda fa hijoro hatrany ho fanasina sy ho fahazavana ary fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena ny FJKM. Nanterin’ny hafatra fa manafatra ny zanany ho tompon’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ny fiangonana amin’ny alalan’ ny lahateny samihafa sy ny tenin’Andriamanitra, efa voalahatra isan’andro.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny hafatry ny synaoda ny fiombonana sy ny fihavanana mba ho iray ihany ny fiangonana.
Ho an’ny fiainana anatin’ny FJKM kosa, anisan’ny nisongadina ny fanekena ho synaodam-paritany faha-39 ny any Amerika Avaratra. Eo koa ny fanitarana ny fitoriana sy ny fiangonana.
Synèse R.




