Hiakatra fampanoavana anio maraina, etsy Anosy, ny « Raharaha Boeing 777 » raha tsy misy ny fiovana. Naharitra roa andro ny famotorana nataon’ny FBI, araka ny loharanom-baovao ka anisan’izany ny minisitry ny Fitaterana teo aloha. Nampifanatrehina, omaly, ireo ahina ho voasaringotra amin’izany.
Miantso ny filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry, ny vovonana Firaisankina ny hanajana ny demokrasia. « Tokony ho maodely amin’izany fahalalahana maneho hevitra izany izy mba ho hitan’ireo firenena eo anivon’ny Sadc. Tsy hatahotra ny haneho hevitra intsony izahay satria manana zo hanao izany ny mpanohitra. Ho hita eo raha mbola hiziriziry izy », hoy izy ireo.
Mitaky ny hamoahana ny daty hanatanterahana ny fifidianana loholona ny KMF/Cnoe, araka ny fanambaran’izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy tokony ho ela ny fanapahan-kevitry ny governemanta momba izany. « Tsy tokony ho sakana amin’ny hamoahana ny tetiandron’ny fifidianana loholona ireo kaominina tsy mbola manana ben’ny Tanàna », hoy izy ireo.
Nofanina momba ny fahaiza-mitantana sy ny haitarika ireo mpitantanana eny ifotony, ahitana ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Ambilobe, omaly. Nitarika izany ny kestiora, Mino Seramila. Nambarany fa tafiditra ho amin’ny fanatsarana ny fitondrana sy ny fampandrosoana maharitra eny anivon’ny kaominina sy ny faritra izany.




