150 mahery ny fitambaran’ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, tato anatin’ny roa volana. Namoizan’aina tsy latsaky ny 100 izany. Ny tsy fitandreman’ ny mpamily sy fandehanana mafy avokoa ny antony nahatonga izany.
Mitombo ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana rehefa vanim-potoanan’ny fialantsasatra tahaka izao. Maro ny fivezivezin’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena. Nahatratra 154 ireo tranga mahakasika izany teto Antananarivo, tamin’ity taona 2025 ity, teo anelanelan’ny volana jona hatramin’ny 15 aogositra, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Nahafatesan’olona manodidina ny 99 sy naharatrana olona 111 ireo tranga nisy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. Raha toa ka 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto) teto Antananarivo, teo anelanelan’ny volana janoary sy avrily, tamin’ny taona 2024 lasa iny. Raha ny tatitra eo anivon’ ny Direction générale de la sécurité routière (DGSR) hatrany. Nahatratra 18 ireo maty vokatr’izany, tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Manodidina ny 221 ireo olona lasibatra ary 203 kosa ireo naratra. 163 ny lehilahy tamin’izy ireo, raha 58 ny vehivavy.
Tsy fitandreman’ny mpamily sy fandehanana mafy no tena antony nahatonga ny loza. Maro ny antony mahatonga izany. Voalohany, ny tsy fitandreman’ny mpamily fiara sy ny mpitondra moto ary ny fandehanana mafy. Faharoa, ny olana mekanikan’ny fiara, izay manodidina ny 22 ny taha. Efa miezaka manao ny tsara ny eny amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia manena sy misoroka io olana io. “Maro ny olona mandeha ary tena miakatra ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana mahazo ny taksiborosy rehefa vanim-potoanan’ny fialantsasatra tahaka izao”, hoy Reribake Jeannot, Directeur général de la sécurité routière (DGSR). Reraka ny mpamily, manao dona miverina avy hatrany izy ireo raha vao mahita mpandeha, raha ny fanazavana voaray. “Etsy ankilany, tsy voahaja intsony ny fisian’ny mpamily roa anatin’ny fiara iray sy ny fotoana hakana aina”, hoy ihany izy.
Tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana
Tsy fitandreman’ny mpamilin’ny fiara ny tranga 48 tamin’ireo. Tsy fitandreman’ny mpitondra moto ny 35. Fandehanana mafy ny 19. Fitondrana fiara ao anatin’ny fahamamoana ny 12. Tsy fitandreman’ny mpandeha an-tongotra kosa ny fito. Tsy fitandreman’ny mpitondra bisikileta ny roa. Nahatratra 124 ny fitambaran’ireo tsy fitandremana rehetra ireo nandritra izay fotoana izay, raha ny tatitra voaray hatrany. Ankoatra izay, nanodidina ny 42 ireo fiara madinika niharan-doza, raha toa ka 65 ny isan’ireo môtô. Fiara mpitatitra olona ny 30 isa. Tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpamily nitondra izany.
Marihina fa mahafaty olona manodidina ny 1,35 tapitrisa isan-taona ny lozam-pifamoivoizana maneran-tany. Mpandeha an-tongotra, mpitaingina bisikileta ary mpitondra moto ny 54% ireo olona maty ireo.

Ezaka atao ny fizarana traikefa
Fitaovana iray tsy afa-miala amin’ny fiainan’ny olombelona ny fampiasana ny fiarakodia syn y kodiaran-droa, amin’ny ankapobeny. Mahatonga karazana trangana lozam-pifamoivoizana matetika anefa izy ireny raha tsy voafehy. « Ezaka atao ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpamily fiara sy ny mpitondra kodiaran-droa rehetra, mba hanenana ny lozam-pifamovoizana misesy sy mitranga eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany Reribake Jeannot, Directeur général de la sécurité routière (DGSR). Ankoatra izay, ilaina ary tsara hain’ny mpampiasa lalana rehetra ny fifehezana ny lalàn’ny fifamoivoizana sy fanaharahan-dalàna. Nambarany fa mila mitandrina ihany koa ny mpamily manoloana ireo lalana amboarina rehetra amin’ny lalam-pirenena samihafa. “Zavatra angatahina ny fahatongavan-tsainan’ny mpamily manoloana izany mba ho mpamily tompon’andraikitra eny amin’ny lalana”, hoy hatrany izy.
Nambarany hatrany fa raisina ho anjara andraikitra lehibe ny fampianarana sy fizarana traikefa ho an’ny mpampiasa ireny fitaovam-pitaterana ireny. Rehefa vita izany vao miditra amin’ny fanasaziana. Efa misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ahafahana mahatratra izany tanjona izany, ho an’ny eto amin’ny Nosy. Ankoatra izay, ilaina ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba hananana antoka raha sendra loza, toy ny fandoavana ny fiantohana. Etsy ankilany, manampy betsaka amin’ny fanenana ny loza misy ny fanaovana ny contre visite eny an-dalana, izay ataon’ny tomponandraikitra amin’ireo fiara.
Nanatontosa : Mino




