Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany aza anefa, hifandimby ireo mpikamban’ny governemanta ho fitohizan’ny raharaham-panjakana sy ny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Voafaritra ao anatin’izany koa ny fandaharam-potoana ifandimbiasana. Mijanona eto an-toerana kosa ny minisitra miadidy ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ireo fotoana ireo ho fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka.
Synèse R.




