SOMBIM-BAOVAO

Tontosaina eny amin’ny Kianja «annexe» Ma­hamasina, nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 23 ao­gositra ho avy izao, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra «cours Ma – arbitres élites». Mitarika izany i Efong Nzolo (instructeur technique) sy i Ayemou Ananh Jeanne (instructeur physique) ary i Athanase Nkibuto.

Nigadona teto an-tanindrazana, omaly, ny de­legasionina malagasy, taranja fibatana fonjamby, avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana. Medaly 17 be izao no no­rombahin’ireo atleta malagasy, izay nisy filofosana mafy tao ambadiky ny fandresena.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fampiofanana ara-teknika, notarihin’ny Hanshi Ramani­tran­drasana René. Ho fanamarihana ny faha-40 taonan’ny MaKa (Malagasy Karate-do) sy ho fankalazana ny faha-80 taonan’ity Hanshi ity izany.

Partager sur: