Voafidy ho filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny mpitantandraharaham-panjakana « Administrateurs Civils-Synad » Rakotondramanana Solofotahina Lalaina. Préfet an’i Maintirano ny tenany izao voafidy izao ary hitantana ny sendikà mandritra ny efa-taona, fe-potoam-piasan’ny birao. Nitarika ny lisitra “Solidarité loyauté force” na Solofo izy tamin’izao fifidianana izao. Miisa 10 mianadahy ireo mpikambana eo anivon’izany biraon’ny Synad izany.
Nitarika lavitra tamin’ny elanelam-bato ny lisitra notarihiny, nanoloana ny mpifanandrina taminy, ny filohan’ny Synad teo aloha, Raholinarivo Solonavalona Paolo Emilio.
Miisa 715 ireo nivoaka tamin’ny sekoly ambony ho an’ ny mpitantandraharaham-panjakana ka miiasa 327 ireo tonga niatrika ny fifidianana teny By-Pass.
Tsiahivina fa anisan’ny nanaovana latsa-bato manokana koa ny kaomiseran’ny kaonty.
Nanomboka ny 28 jolay ny nametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ary nifarana ny 8 aogositra teo izany. Navoakan’ny minisiteran’ny Atitany taorian’izany ny lisitr’ireo kandidà afaka hofidina. Nanomboka ny 12 aogositra ny fampielezan-kevitra ary nifarana ny 21 aogositra teo.
Anisan’ny notakin’ny Synad tamin’ny herintaona ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro ny antsonjay sy ny tsindry samihafa mihatra amin’izy ireo sy ny solontenam-panjakana na avy amin’iza na avy amin’ iza. Eo koa ny hanajana ny tandrifin’andraikitra sy ny tandrifim-pahefana ananan’ny tsirairay, araka ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena.
Synèse R.




