FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, Ratsiraka Celine rehefa notsaboina tetsy amin’ny Cehonsoa. 87 taona izy izao lasa izao. Nahafantarana azy ny asa sosialy. Anisan’ny mpanorina ny akanin-jaza ary nitarika ny vehivavy Arema. Niteraka efatra mianadahy izy sy ny amiraly Ratsiraka : Ratsiraka Xavier, Ratsiraka Olga, Ratsiraka Annick ary Ratsiraka Sophie.

Naneho fiaraha-miory nampahery ny fianakavian’ny filoha teo aloha, Ratsiraka Didier, noho ny nahalasanan’ny vadiny, Ratsiraka Celine, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nanka­he­reziny koa ireo mpanara-dia sy ireo havana akaiky azy ireo. « Homba anareo Andriamanitra. Hanasitrana ny fery ary hanamaivana ny alahelo », hoy izy.

Naneho ny heviny momba ny fanononana ny anarany amin’ny « Raharaha Boeing 777 » ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Nohitsiny fa tsy misy idirany izany. « Niatrika ny fianianan’ny filoha iranianina tany Iran izahay ny taona 2024. Nisolo tena ny fanjakana ny anton-dia tany ary iraka ofisialy », hoy izy.

Nahitsy ny fianakavian’ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky, nilaza fa tsy mbola nahazo ny valin’ny fitiliana, “Autopsie”, haha­fantarana ny amin’ny nahafaty ity mpikambana Tim ity. « Mandiso tanteraka ireo tsaho miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera izahay », hoy izy ireo.

Partager sur: