Hafaliambe ny an’ny vahoaka malagasy, halina. Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny Chan 2025, ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny fandakana tirs au but, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya. Nametraka ny dian-tanany fanindroany eto Afrika indray ny Barean’i Madagasikara.
Noporofoin’ny Barean’i Madagasikara fa tsy kisendrasendra ny vokatra azony tany Algerie, roa taona lasa. Tafakatra fanindroany amin’ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) indray ry zalahy. Omaly, nandritra ny ampahefa-dalana notanterahina tao Kasarani Stadium, resiny tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3, ny Harambee Stars Kenya, rehefa nisaraka 1 sy 1 nandritra ny 90 mn sy ny fanalavam-potoana.
Tsy nikoso-maso mihitsy ny Barea nanoloana ireo mpijery maro nanohana ny kenianina. Na izany aza, nifehy ny lalao hatrany ny tompon-tany saingy tsy tafavoaka nanoloana an-dry Rado sy ry Tony, niampy an’i Bônô. Mbola nisongadina ihany koa ny fahaizan’i Toldo, mpiandry tsatoby. Tetsy andaniny, hain-dry Lalaina sy Dax ny nandrindra ny fanafihana teo afovoan’ny kianja saingy ny lohalaharana no tsy nahita irika nandakana mihitsy. Tsy nisy ny baolina maty, nandritra ny fizaram-potoana voalohany.
Fidirana faharoa, minitra faha-48, nanao fahadisoana i Bônô. Nahazo “coup franc” i Kenya. Niantefa teny amin’ny lohan’i Omija ny baolina ka nanakobana ny harato malagasy. Nitarika 1 no ho 0 ny Harambee Stars. Tsy nihemotra tamin’izany ny Barea. Minitra faha-69, nisy daka nataon’i Lalaina voarain’ny vodilaharana kenianina tao anaty faritra tsy azo ivalozana. “Pénalty” ho an’ny Barea. Tafiditra izany rehefa nodakan’i Fenohasina. Nifandimbiasana ny fanafihana avy eo, saingy tsy nisy baolina maty intsony hatrany amin’ny fanalavam-potoana. Niditra teo amin’ny fandakana “tirs au but”, ka i Toky no tsy nahafaty ho an’ny Barea, raha i Omija sy i Kibwage ny an’i Kenya. Amin’ny talata 26 aogositra ny manasa-dalana.
Tompondaka




