Nanainga omaly, hihazo an’i La Réunion, hiatrika ny «Foulée du sentier littoral» mirefy 15 km hatao ao Ste Suzanne, ireo atleta 3 mianadahy. Nahitana an’i Navokoharilala (Vakinankaratra) sy Rafenomanga Juanhson (3FB) ary Edouard (Garage Radom) izany. Hitarika ny delegasiona malagasy sady mpanazatra Rafenomanga Johson. Fihaonana hotanterahina rahampitso alahady. Fanasana avy amin’ny klioba La Marine Ste Suzanne izy ity ary fiaraha-miasa eo amin’ireo klioba efatra tonta. Ankoatra ity hazakazaka 15 km ity, hisy koa ny fifaninanana «sur piste», handraisan’ireo atleta telo mianadahy ireo anjara, amin’ny alahady 31 aogositra ho avy izao. Hisy fifanakalozana traikefa eo amin’ireo atleta, arahina fiofanana mandritra izao fivahinianana atsy La Réunion izao.
Mandra-piandry izany, tanterahina etsy amin’ny Kianja Alarobia, nanomboka omaly zoma, hitohy anio, ary hifarana rahampitso, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy tanora. Mandray anjara amin’izany avokoa ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny federasionina malagasin’ny atletisma (FMA).
Tompondaka




