Pancrace-“Grand Combat de défi” : Hifandona i Rado Bota sy i Solo Be

Hotontosaina anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana eo amin’ny taranja Pancrace “Grand Combat de Défi”, andiany fahadimy. Hetsika kara­karain’ny “Commission malagasy de pancrace et submission”. Ady 21 no hitranga ka 10 eo amin’ny Classe “A”, 10 eo amin’ny sokajy “B” ary 1 eo amin’ny “Combat KO”. Mpikatroka 42 no handray anjara ka anisan’ny hifandona i Rado Bota sy Solo Be, eo amin’ny sokajy 95kg. Ady tsy misy fiafarany raha tsy KO “Combat KO” na miala an-daharana ny mpifanandrina, no hitranga amin’ity ady ho an’ny sokajy mavesatra ity. Mpikatroka efa tompondakan’i Madagasikara avokoa no hifanandrina ho amin’ny anio ary hiomana hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy ny fiofanana hataon’ireo tompon-daka aorian’izao ady izao. Fifaninanana manaraka ho an’ity taranja ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara amin’ny volana desambra, araka ny nambaran’ny filohan’ny kaomisionina, lieutenant colonel Zafindranaivo Mely. Marihina fa fifaninanana eo amin’ny Pancrace sy MMA (frappe au sol) no ho hita mandritra izany, izay anentanan’ny mpikarakara ny mpitia haiady totohondry rehetra ho avy.

Mi.Raz

Partager sur: