Nahemotra ho amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina. Fifaninanana nokasaina hatao anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, saingy tsy tanteraka.
Hatao anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Match de gala” tafiditra anatin’ny hetsika “Fête du Basket NBA”, hiarahana amin’ireo kalaza Amerikanina NBA izay tonga eto Madagasikara. Hanomboka amin’ny 1 ora ny lalao raha ny fandaharam-potoana.
Notanterahina omaly, tao amin’ny biraon’ny kaominina Arivonimamo, ny fivoriana ara-teknika, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Hanomboka anio kosa ny fifaninanana, haharitra hatramin’ny 31 aogositra.
Hanomboka rahampitso ary haharitra hatramin’ny 28 aogositra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs. Efa nifarana omaly kosa ny fisoratana anarana amin’ity fifaninanana ity.




