Miparitaka maneran-tany : Mahatonga aretina maro ho an’ny olona ny kaikitry ny moka

Anisan’ny biby ke­ly indrindra eto an-tany ny moka, nefa mitondra karazana aretina maro maneran-tany. Maha­ton­ga fahafatesana ma­ro eo amin’ny olona ihany koa izy io.

Bibikely manana helatra roa, maro karazana ary mahatratra aman’arivony izy io ary ahitana azy avokoa manerana izao tontolo izao. Misy ny antsoina hoe: Anopheles, Aedes aegypti, ary Culex sy ny maro hafa. Tia mipetraka amin’ny toerana mando, misy rano miandrona izy ireny. Mampidi-doza, in­drindra ho an’ny fahasalaman’olombelona, izy ireny satria mitondra aretina maro. Maha­tonga fahafatesana maro indrindra maneran-tany ihany koa. Maherin’ny 700 000 isan-taona izany, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation mon­diale de la santé (OMS). Tafiditra ao anatin’ny bibikely mampidi-doza indrindra ma­ne­ran-tany izy io.

Mihinana ranon-javamaniry ny moka lahy. Mihinana ra avy amin’ny olombelona sy biby kosa ny moka vavy. Izy io no mitarika aretina ho an’ny olona sy ny biby izay kaikeriny. Maro ny aretina entin’ny moka vavy, toy ny tazomoka (Mala­ria), aretina ampitain’ny moka antsoina hoe: “Anopheles”. Mahatonga aretina aman-tapitrisany, indrindra ho an’ny olona aty Afrika izy io. 263 tapitrisa ny olona voan’ny aretina tazomoka (malaria) maneran-tany, izay azo avy amin’ny moka, raha ny tatitra tamin’ny taona 2023. Naha­tratra 597 000 ireo olona namoy ny ainy tamin’izany. Nanodidina ny 608 000 ireo olona namoy ny ainy maneran-tany tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra navoakan’ny OMS hatrany. Avy amin’ny mponina aty Afrika ny 94 % tamin’izany. Ankizy latsaky ny 5 taona avokoa ny 76 % amin’ireo. Eo koa ny aretina Dengue sy Chikungunya, izay ampitain’ny moka Aedes aegypti, any amin’ny faritra mafana sy mando. Eo koa ny aretina Fièvre jaune, izay mahazo ny ankamaroan’ny zaza vao teraka raha tratran’ny aretina ny reniny. Eo kao ny Filariose, areti-mifindra entin’ny moka Culex.

Diovina ny manodidina

Fahavalo lehibe ho an’ny olombelona ny moka na dia kely aza. Ilaina ny fanamafisana ny ady amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny fanaovana ireo fomba fisorohana rehetra. Maro ny fisorohana tokony hatao. Eo ny fihinanana fanafody omen’ny mpitsabo. Ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fihetsiky ny mponina andavanandro. Voalohany, ny fisorohana ny rano miandrona. Tokony hiezaka ny tsirairay mba hanarona ny siny sy barika misy rano ary ariana avy hatrany izay rano tsy ilaina na maloto. Faharoa, ny fampiasana lay misy fanafody, indrindra amin’ny alina. Fahatelo, ny fampiasana fanafody mamono moka. Manaraka izany, ny fanaovana akanjo misaron-tanana sy tongotra, mba hisorohana ny kaikitry ny moka. Eo koa ny tokony hanadiovana ny tatatra sy ny toerana manodidina ny trano fonenana. Toy ny fanalana ny lobolobo sy ny bozaka lava mety hitoeran’ny moka. Mamboly solila eo akaikin’ny varavarankely, izay zava-maniry mampitsoaka ny moka. Mihena ny voka-dratsy sy ireo aretina mahazo ny olona raha vita sy arahin’ny maro antsakany sy andavany ireo fepetra ireo.

Faritra tena ahitana moka betsaka indrindra

Eto Madagasikara, ahitana moka avokoa ny ankamaroan’ny toerana sy ny faritra rehetra. Ahitana ny moka:­ Ano­pheles ny any amin’ny moron­tsiraka Atsinanana, toy ny any amin’ny faritra Ikongo, Atsina­nana. Fotoana mahabetsaka izany ny vanim-potoan’ny orana, eo anelanelan’ny volana desambra sy avrily ary ny oktobra hatramin’ny volana marsa. Ho an’ny eto Anta­nanarivo, ahitana ny moka Anopheles sy Culex mandritra ny volana marsa hatramin’ny mey.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v80), quality = 82

Tian’ny moka ny olon-dehibe sy mafana hoditra

Misy olona tian’ny moka kokoa noho ny hafa. Misy ny antony mahatonga izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny manampahaizana any amin’ny Oniversite iray any Etazonia. Miankina amin’ny maripanan’ny olona iray, ny fofona ary ny loto voajanahary eo amin’ny hoditra ny antony hitiavan’ny moka ny olona iray. Mety manana maripana na hafanana avo ny olona iray ka tian’ny moka ny manaikitra azy. Voasarika amin’ny hafanan’ny vatana ny moka. Ankoatra izay, ireo olona manana tahan’ny gaz karbonika (CO2) amin’ny vatany sy be atsembohana. Anisan’izany, ny olona efa nahazo taona sy ny bevohoka. Eo ihany koa ny olona manana mamoaka bakteria miteraka fofona manintona moka. Ankoatra izay, mahasarika moka ny olona tia miakanjo miloko maizina, toy ny mainty, manga, volontany sy ny maro hafa. Ny vehivavy bevohoka sy ny olona vao avy nihinana sakafo mamy na misy alikaola dia ho tian’ny moka kokoa.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: