Naneho ny alahelony manoloana ny tsy fanarahana ny fitsipika ifampifehezana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara (Fitea-M). Nambaran’izy ireo tetsy 67 Ha, omaly, fa efa voafaritra ny fitantanana ifandimbiasana eo anivon’ireo distrika ao amin’ny faritra Androy. « Tokony ho anjaran’ny avy any Amboasary araka ny tapaky ny birao izany ho an’ny taona 2025-2027 nefa lasan’Ambovombe izao », hoy izy ireo. Tsiahivina fa efa valo taona izao ny nijoroan’ny fikambanana. Anisan’ny fotokevi-dehibe iorenan’ny Fitea-M ny fikatsahana ny fampandrosoana ny any amin’ny faritra Androy. Eo koa ny ady atao amin’ny kere. Tsy manao politika ny fikambanana. Manampy izany ny fandalana sy fanajana ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy. Ary ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana.
Synese R.




