Fanabeazana

 

Hoy ny mpandinika iray izay: voalohany ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Tsy azo ihodivirana ny maha olona. Izay mitranga sy ataon’ny tsirairay, azo lazaina fa vokatry ny fanabeazana sy izay nodiaviny. Mitaiza sy manabe avokoa izay iainana fa tsy ny any an-tsekoly ihany. Izay misy isan’andro mandavantaona, misy fiantraikany amin’ny maha olona na ny maha izy azy ny tsirairay. Na ankolaka io na mivantana, na ela na hain­gana… Na ao an-tokantrano, na eny anivon’ny fiarahamonina, na eny an-dalambe, na any am-piasana, na any am-piangonana… Na izay re sy henoina izany, na izay hita sy jerena, na… Miara-dalana amin’izany ny kolontsaina, fomba amam-panao, fahazarana…
Tsy hita hofaritana mazava izay mahatonga ny toetra amam-pihetsiky ny tsirairay amin’izany rehetra izany, na azo tombanana ihany aza. Toy ny sakafo nohanina hatramin’izay mandrafitra ny toe-tenan’ny olona iray; eny, na azo tombanana ihany koa aza fa tsy mitovy ny mihinana sakafo maro loko, ohatra, sy izay mameno kibo fotsiny. Tsy mifankaiza amin’izany ny fanabeazana. Misy antony fototra ao matoa mahita ny mpandinika sasany fa ao anatin’ny fahalovana ny fiarahamonina amin’izao. Na manahirana, mikororosy fahafana, sarotra iainana… Amin’izany, tsy fantatra intsony hoe: ny fiarahamonina lazaina hoe ao anaty fahalovana no manimba olona sa ny olona simba no mahalo ny fiarahamonina? Manjaka ny samy maka ho azy, ny tsy fifampitokisana… Amin’izany rehetra izany, aiza ho aiza ny hoe andry amin’ny fampandrosoana ny maha olona? Tsy vitan’ny fiainam-batana fotsiny… Eny, na hoe izay aiditra am-bava aza manahirana amin’izao, tsy azo ihodivirana ny fanabeazana ny maha olona. Mby aiza? Fandinika…

R. Nd.

Partager sur: