Nifarana ny herinandro teo rehefa naharitra dimy andro ny fikaonan-dohan’ireo fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny Sadc, notanterahina tetsy Ambodivona. Anisan’ny sosokevitra nivoitra tamin’izany ny tokony haha maodely an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra rehetra. « Tsy mankasitraka ny faneriterena amin’ny fahafahana maneho hevitra izany ary mitaky fampanajana ny demokrasia », hoy ny fehin-kevitry ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny vondrona Sadc.
Etsy andaniny, anisan’ny takin’izy ireo ihany koa ny fanovana ny rafi-panabeazana, ny fanatsarana ny politikan’ny angovo. Manampy ireo ny fanafoanana ny fanavakavahana ara-pananahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy. Nisongadina fa ilaina tohizana ny ezaka amin’ny alalan’ny vaomiera maharitra momba ny fitovian-jo ara-pananahana. Mandinika sy manara-maso ny fanatanterahana ny politika ny vaomiera. Ampirisihana ny fandraisan’andraikitra amin’ny alalan’ny hetsika fanohanana ny vehivavy sy ny tanora. Omena sehatra ny fifanakalozan-kevitra ara-politika, amin’ny alalan’ny « Caucus rezionalin’ny vehivavy parlemantera ».
Ankoatra izany, nohamafisina fa fototra iorenan’ny fiarahamonina mandala ny rariny sy ny faharetana ny fitovian-jo ara-pananahana. Mitondra fandrosoana amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina ny fanomezana lanja mitovy ho an’ny sokajin’olona rehetra. Notsindriana tamin’izao fikaonan-doha izao koa fa tsy ampy ny fanovana lalàna. « Ilaina koa ny fiovam-pihetseham-po sy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny vahoaka », hoy ny sosokevitra.
Synèse R.




