FANTINA sy FINTINA

Naneho fiaraha-miory sy fiombonana alahelo noho ny fahalasanan-dRatsiraka Celine, vadin’ny ami­raly Ratsiraka Didier ny filoha, Rajoelina Andry. Namba­rany fa olom-pirenena nanamarika ny tantaran’ny fire­nena, Ratsiraka Celine. « Mampahery ny zanany sy ny zafiny, ny havany ary ireo akaiky azy amin’ny anaran’ny vahoaka izahay », hoy izy.
Nanazava ny maha filohan’ny Sadc ny filoha Rajoelina Andry ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, Mara Donna Volamiranty. Nambarany fa ifanarahan’ireo filoha mpikambana ao anatiny izany. « Tsy fitan­tanana mihodina araka tenenintsika. Tsy nahazo izany ny filoha teo aloha sady tsy nahazo ny fankatoavan’ny firenen’ny Sadc », hoy izy.
Nirary soa ho an’ny filoha vaovao mitantana ny Sendikan’ny mpitantan-draharaha-panjakana (Synad), Rakotondramanana Sofolotahiana ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Tokely Justin. Anisan’ireo nanatrika ny fivoriambe sy ny fifidianana tamin’izany ny tenany amin’ ny maha administratera sivily azy koa.
Nitondra ny heviny momba ny « Raharaha Boeing 777 » ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nambarany fa tena voninahi-pirenena no nosandaina tamin’ity raharaha ity ka mahasarotiny azy ireo. « Tsy tokony ho maty momoka na ho vitavita ho azy tsy hisy tohiny tahaka ireo afera hafa ity », hoy izy.

Partager sur: