«Cours MA-Arbitres élites»: Nahavita fiofanana ireo mpitsara matihanina

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 19 ka hatramin’ny 23 aogositra lasa teo, ny fiofanana ho an’ireo mpitsara baolina kitra matihanina «Cours MA-Arbit­res élites». Nitarika izany ireo ma­nam-pahaizana avy amin’
ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa), i Efong Nzolo Jerome (instructeur techni­que) sy i Ayemo Ananh Jeanne (instructrice physique) ary i Athanase Nkibuto. 27 ireo mpiofana ka 21 ny lehilahy ary 6 vehivavy. Misy amin’izy ireo mpitsara afovoany. Nambaran’ i Lay Mein Alexandre, filohan’ny filankevitry ny mpitsara (CCA) fa amin’ny maha elita azy ireo, notsongaina manokana izy ireo noho ny talentany mba hampiroboroboana sy hampitomboana ny lenta sy ny haavo teknika, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny hananan’i Madaga­sikara mpitsara baolina kitra sangany ka afaka hitsara lalao goavana toy ny “Mondial” sy ny “Can” no anton’izany.
Masontsivana nifantenana azy ireto ny kalitaon’ny tanjaka, ny teknika sy ny taktika amin’ ny lalao. Ity farany izay takin’ny Fifa fatratra. Araka izany, ilaina ny fahaizana mampihatra ny fitsipiky ny lalao araka ny fitsarana maoderina. Misy zava-baovao miova isan-taona amin’ny baolina kitra ka mila maharaka izany ny rehetra. Tanjona ny mba hitovizan’ny fomba fitsaram-baolina manerana izao tontolo izao. Maha­ka­sika ny Var indray, ezahin’ny CCA ny hampiditra azy io eto Madaga­sikara, saingy mi­ankina amin’ny Fifa sy ny Caf izany, izay mbola ilàna fiofanana.

Tompondaka

Partager sur: