“Tsy misy ny fahafahana na ny demokrasia. Na ny mpanao gazety aza, tampenam-bava amin’ny vaovao avoakany. Lasa henatra ho an’ny firenena amin’izao: na ny mpanao gazety avy any ivelany na ny eto an-toerana, ampitahorina sy rahonana amin’ny asany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote avy amin’ny fanoherana, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa Manampy. Ny amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao izay nahabe resaka tato ho ato no nitenenany izany. Izay no tokony hijoroan’ ny mpanao gazety sy ny firaisamonina sivily ary ny mpisehatra politika rehetra, hiady sy hiaro ny zo amin’ny fahalalahan’ny asa fanavaon-gazety. Raha tsy miasa ny mpanao gazety, inona ny vaovao homeny eo? Tsy misy inona ho fantatry ny vahoaka sy ny mpitondra. Matahotra sao misy marina voalaza amin’ny tsy mety atao, matoa misy ny fampitahorana mpanao gazety, araka ny nambarany.
Raha ny fitondram-panjakana no manome fahafahana miteny, na mpanao gazety na mpanao politika: mafy sy matanjaka ny fanjakana. Manome fahafahana ho an’ny olona rehetra ny fanjakana matanjaka. Anisan’izany ny mpanao gazety. Rehefa ny fanjakana no malemy, mampihorohoro sy mampitahotra mpanao gazety izy izay. Toy izany koa no ataony amin’ny mpanao politika.
R. Nd.




