Tonga teny amin’ny trano fonenany, eny Faravohitra, nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ny fianakavian’i Céline Ratsiraka, vady navelan’Itompokolahy Didier Ratsiraka, filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha ny mpiara-miasa ao amin’ny Antenimierampirenena notarihin’ny filohany, Tokely Justin, omaly. Sady fanomezam-boninahitra an’i Céline Ratsiraka amin’ny maha vady navelan’ny filoha teo aloha izany no fiaraha-miory amin’ny solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry, i Sophia Ratsiraka, izay zanaka vavin’izy ireo. Nanotrona ny fotoana ireo solombavambahoaka namany sy ny mpiara-miasa ao amin’ny Antenimierampirenena.
Andry F.




