Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifaninanam-pirenena taranja atletisma, sokajy zandriny (Mada Jeunes). Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Nisongadina ny zava-bitan’ny ligin’Atsimo Andrefana izay nitana ny laharana voalohany, nahazo volamena 19. Saika nanjakan’izy ireo ny teo amin’ny halavirana lavitra sy ny hazakazaka mifampitohy. Nanaraka azy ny ligin’Analamanga medaly volamena 16 ary fahatelo Alaotra Mangoro volamena 12 raha fahefatra Antsinanana 11. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma fa mahavelom-bolo ny fahavitrihan’ireo ligim-paritra na teo aza ny fisondrotry ny saran-dalana izay tsy nataon’izy ireo sakana fa tonga avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasionina. Nihoatra noho ny noeritreretina ihany koa ireo mpifaninana izay nahatratra hatrany amin’ny 60 mianadahy. Nahitana mpifanandrina avokoa ireo adina « épreuves » rehetra niadiana medaly volamena, tamin’ity. Na izany aza, tsy nisy zava-bita tsara montsana.
Tompondaka




