Resin’ny Maraoka, teo amin’ny « tie break » i Madagasikara teo anatin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (Can), taranja Volley ball, ho an’ny sokajy U16 vehivavy, izay atao any Tonizia. Tapitra hatreo, araka izany, ny lalan’ny ekipa malagasy amin’ity fifaninanana ity, rehefa resy intelo nisesy.
Voatsonga handray anjara amin’ny andiany faha-21 amin’ny “Basketball Without Borders Africa Camp”, ny Malagasy mpilalao, Rasata Océane. Fandaharan’asan’ny NBA sy ny Fiba ho fampiroboroboana ny Basikety afrikanina ity fiofanana ity.
Nahemotra ho amin’ny 26- 27 ary 28 septambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja kick boxing, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasy ny kick boxing. Tokony natao tamin’ny faran’ny herinandro teo ity fifaninanana ity araka ny fandaharam-potoana saingy izao nahemotra izao.




