Fitantanam-panjakana: Manana ny toerany amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny ideolojia

Manana ideolojia politika mazava sy iainana avokoa ve ny antoko politika eto Madagasikara amin’ izao? Rafi-kevitra izay mifototra amin’ny rafitra soatoavina ekena ny ideolojia politika, mamaritra ny toe-tsain’ny olombelona sy ny fitondrantena manoloana ny tanjona tiana hampandrosoana ny fiarahamonina. Andrana famakafakana…

Amin’ny siansa politika, fitambarana hevitra sy foto-kevitra ary soatoavina izay manolotra vina ho an’ ny fiarahamonina sy drafitra ho an’ny fandaminana izany ny hoe ideolojia politika. Ampi­asaina ho mpitari-dalana ho an’ny hetsika ara-tsosialy na antoko na vondrona ho fanentanana ny fanohanana sy ha­molavola ny lamina ara-politika izy amin’izany. Tafi­ditra ao anatin’izay ny fomba fijery izao tontolo izao sy ny fandaharanasa politika. Mise­ho amin’ny endrika samihafa ny ideolojia politika, toy ny liberalisma, sosialisma, konservatisma, na­sionalisma… Rafi-kevitra izay mifototra amin’ny rafitra soatoavina ekena izy, mamaritra ny toe-tsain’ny olombelona sy ny fitondrantena manoloana ny tanjona tiana hampandrosoana ny fiarahamonina, ny vondrona so­sialy na ny olona iray. Izay no tanjon’ny ideolojia.

Misy asany ny ideolojia
Asan’ny ideolojia politika kosa ny fanolorana fomba fijery izao tontolo izao. Tsy inona fa fanoloran-kevitra amin’izay ho rafitra fandikana ny fahatakarana ny zava-misy ara-tsosialy sy toekarena ary politika. Eo koa ny asa fitarihana ma­nome fandaharanasa sy tanjona ho an’ny hetsika ara-politika, izay misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fitondran-tenan’ireo mpisehatra politika. Manaraka, ny fa­netsehana ny fanohanana mi­fanaraka amin’ny soatoavina iombonana sy mampiray ny olona amin’ny tetikasa iraisana ary mampitombo ny herin’
ny vondrona. Miara-dalana amin’izany ny fandrafetana adihevitra politika. Tsy inona fa manampy amin’ny fandaminana ny fisaratsarahana sy ny fanoherana eo amin’ny sehatra politika, ohatra, eo amin’ny ankavia sy ny ankavanana.

Manana ny toetrany sy ny toerany ny ideolojia
Maneho soatoavina sy foto-kevitra izay mamaritra ny tokony ho toetry ny fiarahamonina ny toetran’ny ideolojia politika. Eo amin’ny lafiny stratejika, fitaovana ahazoana sy ampiasana fahefana izy ary mi­katsaka ny hanaparitaka sy hametraka ny vinany hahazoana fanohanana avy amin’
ny maro anisa. Raha fintinina, fitaovana mahery izay mandrafitra ny fahatakarana an’izao tontolo izao ny ideolojia. Mitarika hetsika ara-politika amin’ny fanolorana hevitra sy soatoavina ho an’ny filaminana ara-tsosialy irina na kendrena koa izany.

????????????????????????????????????

Ireo ideolojia politika telo lehibe
Amin’ny siansa politika, ekena ho ideolojia politika telo lehibe ny konservatisma sy ny liberalisma ary ny sosialisma, araka ny fijerin’ny mpandinika sasany. Antsoina koa hoe ideolojia klasika izy ireo. Mi­avaka amin’ny fisalasalany na tsy fahatokisana ny fiovana, ohatra, ny konservatisma, ma­nohana ny fikojakojana ny fomban-drazana mba hitazonana ny filaminana sosialy. Na maro aza ny firehan-kevitra mitady fanavaozana, mino mafy fa tsy ilaina ny fiovana ny mpandala ny nentin-drazana.
Iray amin’ireo firehan-kevitra manan-danja indrindra sy noraisina be dia be tato ana­tin’ny taonjato farany kosa ny liberalisma. Nipoitra ho fanehoan-kevitra manoloana ny fa­hefan’ny mpanjaka sy ny tombontsoa azon’ny saranga ambo­ny ny liberalisma. Amin’ ny maha firehan-kevitra ara-politika azy, mandà izay hevitra ara-tsosialy nentim-paharazana ary manamafy ny maha zava-dehibe ny fahalalahan’
ny tsirairay sy ny herin’ny fandalam-pisainan’ny tsirairay ary izay iombonana amin’izany ny liberalisma. Nandray anjara tamin’ny fananganana azy maharitra ho foto-pisainana izay fanamafisana ny fahalalahan’ny tsirairay sy ny fa­haiza-misaina izay. Ny hevitra fototry ny liberalisma dia ny fa­hafahana, ny fiavahan’ny tsirairay, ny fanjakana liberaly, ny rariny ara-tsosialy…
Firehan-kevitra ara-politika izay nanohitra ara-tantara ny kapitalisma ny sosialisma. Mi­kendry ny hametraka safidy maha olombelona ho an’ny ka­pitalisma ary mino ny foto-ke­vitry ny fitantanan-karena ho an’ny rehetra sy ny fitoviana ara-tsosialy ho fototry ny fiarahamonina tsara kokoa. Mika­tsaka ny hanafoanana ny fisaratsarahana koa ny ideolojia sosialisma. Hevitra fototry ny sosialisma ny fitantanan-karena ho an’ny daholobe, ny maha olombelona iombonana, ny fi­toviana, ny fifehezana ny mpi­asa ary ny saranga sosialy.

Maro dia maro ny ideolojia
Na izany aza, misy ireo ideolojia nipoitra taty aoriana na nosakajiana ho hafa. Maro dia maro izy ireo. Santiona­ny… Eo, ohatra, ny fitsipaham-pahefana (anarsisma) izay foto-pisainana mandà ny karazana fahefana rehetra: tsy tokony hisy teritery amin’ny tsirairay. Maneho fahefana ary mamorona teritery ho an’ ny tsirairay toy ny lalàna sy fi­tsipika, fitsarana, sns ny hoe fanjakana.
Ny kapitalisma izay rafitra ara-toekarena sy sosialy mifototra amin’ny fananan’olon-tsotra ny fitaovam-pamokarana. Ny fikatsahana tombom-barotra sy ny fitazonana renivola (vola) no tena zava-dehibe. Mampirisika ny fandraisana andraikitra ataon’ny tsirairay ary koa ny fifaninanana eo amin’ny orinasa ny kapitalisma.
Ny kaominisma izay foto-pampianarana ara-tsosialy sy politika ary toekarena mifototra amin’ny fananana iombonana ny fitaovam-pamokarana, mikendry ny hisian’ny fiarahamonina mitovitovy izay tsy misy saranga sosialy.
Ny ekolojisma izay foto-pisainana mampirisika ny fa­najana ny tontolo iainana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ara-politika sy toekarena ary sosialy amin’ny tanjona hitahiry izany ho an’ny taranaka ho avy.
Ny fasisma izay firehan-kevitra mahery vaika manohitra ny demokrasia, ny fanomezan-danja ny maha izy azy ny tsirairay, ny kapitalisma, ny fa­halalahana ara-toekarena, ny parlemantera, ny kaominisma ary ny sosialisma. Mate­tika mi­araka amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny jadona ny fasisma.

Nanatontosa : R. Nd.

Partager sur: